HIATRIKA NY HOAVY, HO FENO NY FANAHY

Ho fahatsiarovana ny ezaka fitoriana ZOOM, niaraka tamin’i Pastora Paul Saotra RATSARA, ny mpikambana (sy ny  tsy mpikambana ) MAFA sy AMI3A,  May, Jona 2020

 EZAKA

1.Nisy antso fanentanana

milaza hoe: “Mirotsaha !

Misy ondry ho fahanana

Izay miandry any an-tsaha.

Mandehana hanambara

Fa raha fenon’ny FANAHY,

omban’ilay Mpiandry tsara

ny ho avy tsy hampanahy…

2. Fotoana fohy tam-pelatanana

Nanomanana ny asa;

Voafetra ny enti-nanana,

Nefa vita ny kinasa !

Ny FANAHY no nampahery

Sy nanafy ny rehetra,

Ary nomba sy nijery

Tamim-pitia tsy nisy fetra.

3. Ny mpitandrina RATSARA

Notinendry re ny molony

ka Teny soa mangarahara

sy mafonja no natolony.

Ary ny mpandray anjara,

Ny tànana nikirakira,

Samy faly nanambara:

“amin’Ny Tompo, mifikira !”

4.  Ireo nitrotro tamim-bavaka,

na imaso na ivoho,

Ireo rehetra tsy an-kanavaka

nitondra zava-mahasoa.

Iray mpikambana na tsia

Ny MAFA sy AMI3A

Ireo rehetra niara-dia,

Niezaka, nitomban-dahy !

5.Ireo ‘zay mpikarakara,

Ireo nanolotra fotoana,

Ho soa sy tsy hamarara

izay naseho manoloana…

Ireo nitondra AINGA VAO

ara-batana, ara-tsaina…

Ry FANAHY, ô ombao

Mba hanjary ’zay nefaina !

Jean Andriamananaivo (2020)

Atolotra an’i Rivano, i Andry, i Herimihaona, i Michael ary i Niaina, sampana teknika ZOOM (MAFA*, AMI3A*)

Ho fahatsiarovana ny Ezaka fitoriana ZOOM : miatrika ny hoavy, ary feno ny Fanahy,  May, Jona 2020

TEKNIKA

Vovonana iadian’ny lohany,

Varivariny andrian’ny tafo,

Niankinana hatrany am-boalohany,

Tombam-bidiny lafo dia lafo.

Raha toa ka tsy nisy azy,

Tsy ho tanteraka ireo fotoana;

Tena marina, tsy vazivazy,

Angamba ho fotsy sy foana.

Tena nanana fandavantena

Ary niasa na andro na alina;

Nahim-pony fa tsy noterena…

Fitia latsa-paka sy lalina !

I RIVANO, i ANDRY, i HERIMIHAONA,

I MICHAEL ary koa i NIAINA :

Dimy lahy, no indreo tafahaona…

Misaotra eram-po, eran-tsaina !

Isaorana koa ny ankohonany,

Nanaiky ny fotoan-dany;

Raha nisy ny fanakombonany,

Angamba ho sarotra ihany…

Ny Tompo hameno ny banga,

Hanonitra ny lany rehetra;

Ka na inona na inona hitranga,

Ny fitahiany tsy hisy fetra !

Jean Andriamananaivo (2020)

*Fikambanana MAFA (Malagasy Advantista Frantsa Atsimo) sy Ami3A ((“Fikambanana Advantista Miray Aty An-dafy Avaratra”)